TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA
Ankoatra ireo mpiasan'ny fahasalamana avy ato amin'ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana sy SDSP Toamasina II dia niara-nanatanteraka fitsaboana sy tolotra ara-pahasalamana ho an'ny vahoaka tao Besakay koa ny Ekipa avy eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka foibe.
Maro ireo olona no nahazo fitsaboana sy fikarakarana ary fanentanana ho fisorohana ny aretina, nandritra ity hetsika ity.
MIARA-MIASA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DRSP Atsinanana 06-mars-2026