Fidinana ifotony mahakasika ny fandraisana an-tanana ny tsifanjariantsakafo ao amin'ny Distrikan'i Amboasary Atsimo Faritra Anôsy.

Nijery akaiky ny fandrosoan'ny asa momba ny fandraisana an-tanana ny tsifanjariantsakafo ny Talem-paritry ny Fahasalamambahoaka sy ny Talem-paritry ny Mponina, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon'antoka avy amin'ny IRISH AID miaramiasa amin'ny OMS, UNICEF, ORN ary ny FID.

Nisongadina tamin’izany ny ezaka efa vita sy ny asa fanamafisana sy fanatsarana mila tohizana eny amin’ny:

  • Site Tanandava Sud sy Antsovela

  • CSB2 Behara

  • Centre de Récupération et d'Education Nutritionnelle Intensive (CRENI) CHRD Amboasary Atsimo.

 

Tanjona: Ny hanakaiky hatrany ny vahoaka sy hanatsara ny tolotra ara-pahasalamana.

DRSP Anosy 07-mars-2026