NITSIDIKA NY ASA FANARENANA AN'I TOAMASINA TAORIAN’NY RIVODOZA

Tonga tao Toamasina androany 07 Martsa 2026 ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, nanatrika ny fivoriana nijerena ny fizotry ny asa fanarenana ny tanàna taorian’ny fahasimbana nateraky ny rivodoza "GEZANI".

Nanatrika izany ihany koa Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta sy ireo mpikambana maromaro ao amin’ny Governemanta ka anisan’izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ireo Solombavambahoaka notarihin'ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritany Toamasina, ny BNGRC ary ireo manam-pahefana tao an-toerana.

Raha eo amin'ny sehatry ny fahasalamana navoitra dia:

  • Olona miisa 13 368 no efa nisitraka fitsaboana nandritra ny tolotra ara-pahasalamana mitety Fokontany nataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpiara-miombon’antoka.

  • Ao amin’ny SDSP Toamasina I, misokatra sy miasa avokoa ny CSB rehetra.

  • Ao amin’ny SDSP Toamasina II, 28 amin’ireo CSB 40 no efa miverina miasa, raha 12 kosa mbola tsy azo ampiasaina noho ny fahasimbana goavana.

  • CHU Analakininina sy CHU Morafeno dia efa miverina tsikelikely amin’ny asa, na dia mbola voafetra aza ny tolotra noho ny fahasimban’ny trano sy ny fitaovana.

 

Nandray fitenenana ihany koa ireo "Représentants résidents" avy amin’ny Banque Mondiale, OMS, UNICEF, UNOPS ary Croix-Rouge, izay samy naneho ny asa efa nataony sy ny fahavononany hanohy ny fanohana ny fanarenana ny sehatry ny fahasalamana

Ny Fitaleavana ny Serasera - CopyrightDRSP ATSINANANA - COMM 07-mars-2026