FANKALAZANA NASIONALY NY ANDRO IRAISAMPIRENENA HO AN’NY ZON'NY VEHIVAVY

Nankalazaina androany teny Anosy ny Andro Iraisampirenena ho an’ny Zon'ny Vehivavy, izay ankalazaina isaky ny 8 martsa. Ho an’ity taona 2026 ity dia mitondra ny lohahevitra hoe: “Ny vehivavy Malagasy, hery iray ho an’ny fanavaozana ny Firenena.”

Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiarahamonina ny vehivavy, satria izy no mpitaiza sy mpanabe ny taranaka, ary mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny Firenena. Noho izany dia fotoana iray hanomezam-boninahitra sy hanandratana ny hasina sy ny zon'ny vehivavy ity andro ity.

Nanamarihana izany dia nisy ny diabe niraisan’ny rehetra, izay nahitana ireo solontenan’ny sehatra samihafa, maneho firaisankina sy fanohanana ny zon’ny vehivavy ary ny lanjan’ny anjara biriky entiny eo amin’ny fiaraha-monina.

Nanome voninahitra ny lanonana Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Kolonely RANDRIANIRINA Michaël sy vadiny Ramatoa RANDRIANIRINA Elisa, sy ireo Mpanolo-tsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny vadiny. Anisan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo vehivavy mpiasan’ny fahasalamana notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.

Izy ireo no manatanteraka ny andraikitra lehibe ny amin’ny fikarakarana sy fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

08-mars-2026