FANOLORANA FANAMPIANA TAO AMIN'NY "VILLAGE VOARA"
« Iray ihany isika, miara-miasa isika ho an’ny fahasalaman’ireto zanatsika ireto »
Io no teny nentin’ Andriamatoa Ferid Ismael, Filohan’ny communauté Kojha eto Madagasikara, raha tonga nitsidika ny centre "Village Voara" etsy Andohatapenaka ny tenany sy ireo delegasiona niaraka taminy androany.
Ho tohin’ny fanomezana izay tontosa tamin’ny zoma lasa teo dia tonga indray izy ireo nitondra:
-
Fanafody maro toy ny fampidinana hafanana, fanadiovana orona, antibiotika
-
Vovon-dronono ho an’ny zaza
-
Kojakoja ilaina amin’ny fitsaboana voalohany mandritra ny fandraisana ireo marary
Naneho fisaorana kosa ny Talen'ny Kabinetra izay nisolo-tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nandray ireo fanomezana ireo.
Nanamarika izy fa manamaivana tokoa ny fikarakarana sy ny fandraisana an-tanana ireo zaza tsaboina izao fiaraha-mientana sy fanehoana firaisan-kina izao. Mendri-piderana tokoa izao fihetsika izao satria tao anatin’ny andro vitsy dia vitsy no nivaly ny fangatahana nataon’ny Minisitera.
Tsy ireo zaza manana olana ara-pisefoana ihany akory no hahazo fanampiana sy tohana fa fantatra ihany koa fa manam-pikasana ny hanavao sy hanatsara ny hopitaly "CHU MÈRE ENFANT" eo Tsaralalana ireto mpiara-miombon’antoka ireto. Izany rehetra izany dia tafiditra hatrany amin’ny tetik’asan’ny Minisitera ny hanolotra fitsaboana tsara kalitao ho an’ny Reny sy ny zaza.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 08-mars-2026