PAIK’ADY HO AN’NY FAHASALAMAN’NY RENY SY NY ZAZA AO MATSIATRA AMBONY
Tao amin’ny Lapan’ny Faritra Matsiatra Ambony no notanterahina ny fametrahana ny Komity isam-paritra misahana ny fanaraha-maso ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza manodidina ny fiterahana (Comité Régional de Surveillance des Décès Maternels, Périnatals et Riposte).
Ny komity dia manana andraikitra hanara-maso sy handinika ireo tranga fahafatesan’ny reny sy ny zaza, mba hahafahana mandray fepetra haingana sy mahomby. Hivory tsy tapaka isaky ny enim-bolana izy ireo mba handinihana ny fandrosoana sy ny fanatsarana mbola ilaina.
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza, indrindra mandritra na manodidina ny fiterahana.
Nankasitrahana manokana ny fandraisana andraikitra sy ny fiaraha-mientan’ireo mpisehatra rehetra, manamafy ny ezaka iombonana ho fiarovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
DRSP MATSIATRA AMBONY - COMM 11-mars-2026