vaksiny hiarovana amin’ny Mpox

Taorian’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny vaksiny hiarovana amin’ny Mpox, dia nisantatra avy hatrany ny fanaovam-baksiny an-tsitrapo ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiasan’ny fahasalamana tao amin’ny Centre Hospitalier de Soavinandriana "CENHOSOA".

Izy ireo no voalohany nandray izany vaksiny izany teto Madagasikara.

Fihetsika tsotra kanefa manan-danja ho an’ny fahasalamany sy ho an'ny mpiara-belona aminy.

Fihetsika mampiseho mazava ny fahatokisana ny kalitao ary ny hery fiarovana entin'ity vaksiny ity izany.

 

Rehefa miaro tena isika, dia miaro ny fiarahamonina manontolo

Ny Fitaleavana ny Serasera 11-mars-2026