Fanalorana fanafody tao amin’ny Fonjan’i Farafangana
Faritra Atsimo Atsinanana, Distrikan’i Farafangana
Ho fanamafisana ny fisorohana ny aretina MPOX, dia notanterahina ny fanalorana fanafody tao amin’ny Fonjan’i Farafangana, izay ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon'antoka OMS (Organisation Mondiale de la Santé).
Ity hetsika ity dia anisan’ny ezaka amin'ny fiaraha-mientana izay manamafy ny fisorohana ara-pahasalamana, indrindra amin’ireo toerana mila fiambenana manokana, mba hiantohana ny fiarovana ny fahasalaman’ny rehetra.
Maneho ihany koa izany ny fiaraha-misalahy sy ny fahavononan’ireo tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka amin’ny fanamafisana hatrany ny ady amin’ireo aretina mety hampidi-doza.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 13-mars-2026