FANKALAZANA NY FAHA - DIMAMPOLO (50) TAONAN’NY IVON-TOERAM-PAMPIOFANANA PARAMEDY- IFIRP ANALAMANGA

Notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pankalazana ny faha- (50) taona niorenan’ny Institut de Formation Inter-Regional des Paramédicaux (IFIRP) Analamanga.

Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana ny lanonana, narahina lahateny, seho kanto isan-karazany, fitsidihana ireo fampirantiana nomanin’ireo mpianatra sy mpampianatra.

Nanome voninahitra ny lanonana Andriamatoa Sekretera Jeneraly Dr. Ephraïm Stephanson RANDRIANAMBININA, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa sy ny IFIRP Analamanga.

Nandritry ny lahateniny dia nanamafy Andriamatoa Sekretera Jeneraly fa laharam-pahamehana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampiofanana. Efa natomboka ny fanavaozana sy fanitarana ireo ivon-toeram-pitsaboana, fa indrindra ny fahazoana laboratoara. Notsindriany ihany koa ny tokony hampiasana araka ny tokony ho izy ny fitaovana, ny hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny traikefa tokony hananan’ireo mpianatra vita fianarana, ny fitantanana mazava tsara ireo fanafody ary ny fahatsapatenan’ireo mpisehatra ara-pahasalamana rehetra mba hanao ny asany ara-drariny rehefa manatanteraka izany eny amin'ny fiarahamonina eny. Hisy ihany koa ny fijerena ny "recrutement systématique" ho an’ireo nahavita fampiofanana eo anivon'ny IFIRP ary tsy tokony hisy intsony izany mpianatra nivoaka tsy miasa izany nefa ny tobim-pahasalamana isan-tsokajiny tsy ampy mpiasa. Hojerena manokana ny ahafahan’ireo mpianatra eto amin'ny IFIRP hifandray amin'ireo sekolim-piofanana any ivelany hoy hatrany Andriamatoa Sekretera Jeneraly.

Nandritra ny 50 taona, nandray anjara lehibe tamin’ny fanofanana mpiasan’ny fahasalamana matihanina ny IFIRP Analamanga, ka nanamafy ny rafi-pahasalamana sy nanohana ny fampandrosoana ny sehatry ny fahasalamana fa indrindra ny Firenena. Nanamarika izao fankalazana izao ihany koa ny fahatongavan’ireo mpianatra tranainy, mpanabe fahiny, sy ireo vavolombelon'ny tantaran'ny IFIRP nandritra izay 50 taona izay. Anisan’ireny ny Reny Mpiahy izao fankalazana izao, Ramatoa Ramino izay nampiseho am-pahibemaso ny hasarotam-piarony ho amin'ny Infirmiera tsara hofana sy fiofanana miabo.

Ity tsingerintaona ity dia fotoana nanamarihana ny zava-bita sy hanamafisana ny vina ho amin’ny ho avy, ny amin’ny fanohizana ny fanofanana manaraka ny fenitra, izay dingana lehibe mankany amin'ny tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao.

Santatra am-bavarano ihany izao lanonam-panokafana izao, fa mbola hisy hetsika maro ho karakaraina hanamarihana ny ivon'ny fankalazana mandritra ity taona ity.

50 taona niara-nandroso, mitohy hatrany ny fanoloran-tena ho an’ny fahasalamam-bahoaka.

Ny filamatry ny faha 50 taona : Depuis 50 ans, nous formons ceux qui sauvent des vies (IFIRP Analamanga).

 

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 13-mars-2026