Fidinana ifotony nataon'ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka
Tanteraka ihany koa ny fifanakalozana arak'asa teo amin'Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Fisorohana ara-pahasalamana, izay nihaona manokana tamin'Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Talen'ny CHU ary ireo Médecins Inspecteurs tao amin'ny Faritra Boeny nandritra ny fandalovan’izy ireo tao Mahajanga ny asabotsy 14 martsa.
Fihaonana ho fampahafantarana ireo toromarika sy tari-dalana vaovao ary ireo fanovana eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
Fotoana iray nihainoana ireo olana sedrain'ireo rantsa-mangaikan’ny fahasalamana amin’ireo toerana misy azy tsirairay avy, ka nitondran’ireo tompon'andraikitry ny Minisitera vahaolana izay afaka novahana avy hatrany.
Ny Fitaleavana ny Serasera. copyright DRSP BOENY - COMM 14-mars-2026