Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana
MIROSO AMIN'NY TEKNOLOJIA VAOVAO NY FOMBA FAMATSIANA NY FANAFODY ENY AMIN'NY TOBIMPAHASALAMANA
127 CSB no efa nisitraka ny fahazoana ireo fanafody ara-potoana amin'ny alalan'ny Drone

Maro ny tobim-pahasalamana fototra no miorina amin’ny toerana saro-dalana ny kaominina sy distrikta misy azy. Mba hamahana izany olana izany dia miara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka USAID/IMPACT sy AFD/FID ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka efa nanomboka ny taona 2019 mba anatanterahana ny fanaterana ny fanafody amin’ny alalan’ny drone, izany hoe amin’ny alalan’ny sidina anabakabaka.
Afaka mitondra fanafody hatramin’ny 10 kilao isaky ny sidina ny “drone” iray ary mahavita sidina manodidina ny in-5 isan’andro ary mandeha hatrany amin’ny 100 km isaky ny sidina.
Tombony lehibe ny ahafahan’ny vahoaka mipetraka amin’ny toerana saro-dalana misitraka fanafody tsara kalitao, ara-potoana ary amin’ny filany amin’ny alalan’ity tetikasa ity.
Ka sidina 4200 no efa notanterahina hatreto ary CSB miisa 127 ao amin’ny faritra Atsinanana, Analanjirofo, Sava, Sofia ary Melaky no efa novatsiana fanafody toy ny fanafody miaro amin’ny tazomoka, ny fandrindrana Fiainam-pianakaviana ary ireo vaksiny maro samihafa.
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiaramiombonantoka aminy dia tsy mitsahatra ny manatsara hatrany ny rafitra ara-pahasalamana ahfahan’ny fahasalamana manakaiky kokoa ny vahoaka.
SCM/DIRCOM 15-mai-2024
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...