Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

FANATSARANA NY KALITAON'NY FAHASALAMANA

FANATSARANA NY KALITAON'NY FAHASALAMANA. 18 Jolay 2024, Distrikan'ny Farafangana.

Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hitondra fampandrosoana eto Madagasikara indrindra amin'ny lafin'ny Fahasalamam-bahoaka .

Mivohy hatrany amin'ny fampiasana ireo teknolojia vaovao  sy avo lenta ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka toy ny "Drone" mba  hamatsiana  fanafody sy Vaksiny hoan'ireo toerana saro-dalana tsy tonga ny fiara sy ny kodiaran-droa. 

Faritra telo ( Atsimo-Antsinanana, Ihorombe ary Anôsy) ao amin'ny faritra Atsimo no hanataterahana ny tetik'asa "DRONE" . ka ny Renivohi-paritry ny Faritra Atsimo Antsinanana no hanombohana izany.

Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

SCM/DIRCOM (c) DRS Anosy 19-juil.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités