FANATSARANA NY KALITAON'NY FAHASALAMANA
FANATSARANA NY KALITAON'NY FAHASALAMANA. 18 Jolay 2024, Distrikan'ny Farafangana.
Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ny hitondra fampandrosoana eto Madagasikara indrindra amin'ny lafin'ny Fahasalamam-bahoaka .
Mivohy hatrany amin'ny fampiasana ireo teknolojia vaovao sy avo lenta ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka toy ny "Drone" mba hamatsiana fanafody sy Vaksiny hoan'ireo toerana saro-dalana tsy tonga ny fiara sy ny kodiaran-droa.
Faritra telo ( Atsimo-Antsinanana, Ihorombe ary Anôsy) ao amin'ny faritra Atsimo no hanataterahana ny tetik'asa "DRONE" . ka ny Renivohi-paritry ny Faritra Atsimo Antsinanana no hanombohana izany.
Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
SCM/DIRCOM (c) DRS Anosy 19-juil.-2024