FAHASALAMAN'NY RENY SY NY ZAZA ARY NY TANORA

Fivoriana momba ny fampivoarana sy fanatsarana ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza ary ny tanora

Notanterahina androany tao amin’ny Hôtel Colbert Antananarivo ny fanokafana ny fivoriana natokana handinihana ny fampivoarana sy fanatsarana ny fiainam-pianakaviana. Nosokafan’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Docteur RANDRIANAMBININA Ephraïm Stephanson, tamin’ny fomba ofisialy ity fivoriana ity.

Haharitra efatra andro ny fivoriana ary natao ho sehatra hifanakalozan-kevitra sy handinihana ireo paikady sy hetsika mikendry ny fanatsarana ny fahasalaman’ny reny, ny zaza ary ny tanora. Anisan’ny lohahevitra lehibe hodinihina ihany koa ny fanamafisana ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny tokantrano sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fiainana.

Mandritra ity fihaonana ity dia dinihina ihany koa ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola ilaina amin’ny fanatanterahana ireo hetsika sy programa ataon’ireo sampan-draharaha samihafa, miaraka amin’ny fanaparitahana ireo drafitra stratejika nasionaly vaovao sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra rehetra.

 

Nohamafisina nandritra ny fivoriana fa ny fianakaviana no fototra iorenan’ny fiaraha-monina, ka ny fanatsarana ny fahasalaman’ny zaza sy ny tanora ary ny fanohanana ny tokantrano dia anisan’ny antoka lehibe ho amin’ny ho avy tsaratsaran’ny firenena.

Ny Fitaleavanan' ny Serasera. 16-mars-2026