FANOLORANA FITAOVANA HO AN’NY COUSP NASIONALY
Tanteraka soa aman-tsara ny lanonana tsotra nefa manan-danja tokoa satria natao hanolorana tamin'ny fomba ofisialy ny birao misy ny Centre d’Opérations d’Urgence de Santé Publique (COUSP) Nasionaly.
Ity rafitra ity dia manamafy ny fahavononan’i Madagasikara hiatrika ireo krizy ara-pahasalamana, indrindra amin’ny toe-javatra maika mety hisy fiantraikany mivantana amin’ny ain’ny vahoaka.
Ny fananganana sy fanamafisana ny COUSP dia mifototra amin’ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena napetraky ny Règlement Sanitaire International (RSI 2005), izay mitaky amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny OMS ny hananana rafitra matanjaka, mahomby ary mailo amin'ny fanaraha-maso sy fitantanana ireo loza ara-pahasalamana.
Noho izany indrindra, ny COUSP dia mitana andraikitra lehibe amin’ny maha ivon’ny fandrindrana azy : manangona sy mandinika angon-drakitra, mampifandray ireo sehatra rehetra voakasika ary miantoka ny fandraisana andraikitra haingana sy mirindra.
Noho ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Africa CDC, dia nahazo fampitaovana maoderina sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny ivon-toerana. Anisan’izany ny fitaovana informatika, rafitra fanaraha-maso avo lenta, fitaovam-pifandraisana ary ireo kojakoja ilaina rehetra ahafahana miatrika haingana ireo tranga maika.
Eo ihany koa ny fanamafisana ara-teknika ny rafitra, fa porofon’ny firaisankina sy ny fahavononana iombonana hiaro ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy. Satria ny ady amin’ny aretina dia ady iarahana, ary ny firaisankina no hery lehibe hahafahana misoroka sy mandresy ireo loza mitatao.
Fotoana manan-danja ho an’i Madagasikara ity andro ity, satria manamarika dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana. Amin’ny alalan’ny COUSP, dia azo vinavinaina mialoha kokoa ireo loza ara-pahasalamana, voalamina tsara ny fandraisana andraikitra, ary apetraka ny rafitra maharitra, azo antoka ary mahomby ho fiarovana ny ain’ny vahoaka.
Raha fintinina, ity fanolorana fitaovana ity dia miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka eo amin'ny famonjena haingana ny aina manoloana ny krizy ara-pahasalamana.
Nanome voninahitra ny lanonana Andriamatoa Sekretera Jeneraly, Dr. Ephraïm Stephanson RANDRIANAMBININA sy ireo tompon'andraikitra ambony teo anivon'ny Minisitera ary ireo delegasiona avy amin'ny Africa CDC.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 18-mars-2026