FANAMAFISANA NY FANARAHA-MASO NY ICAM

Ho fanamafisana ny ady amin’ny ICAM eto Madagasikara, dia notanterahina tany Toliara ny atrikasa iray mikendry ny hanatsarana ny fanaraha-maso sy ny fandraisana andraikitra manoloana ity trangan'aretina ity.

Anisan’ny vokatra endrasana amin'ity atrikasa ity ny famolavolana ny "protocole" ho entina manara-maso sy miatrika ny ICAM, izay ho tari-dalana ho an’ireo mpisehatra rehetra manerana ny Nosy.

Ankoatr'izay, nohamafisina ihany koa ny fahaiza-manaon’ireo IDA na "Inspecteurs des Denrées Alimentaires" ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, hahafahan’izy ireo miatrika sy mandray an-tanana ary mamaly haingana ireo tranga mifandraika amin'izany.

Tsy hadino koa ny fanentanana ireo mpanjono, izay isan’ireo tena iharan’ny loza, handray anjara amin’ny fisorohana sy ny fitiliana mialoha.

 

Nandray anjara tamin'izao atrikasa izao ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny ACSSQDA, ny Institut halieutique des sciences marines IHSM, ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana lovain-jafy, ny Minisiteran’ny Jono sy harena manga ary ny mpiara-miombon'antoka OMS, izay nanohana izao hetsika izao.

Ny Fitaleavana ny Serasera 18-mars-2026