ATRIKASA MOMBAN'NY FANANAHANA SY FAHASALAMAN’NY RENY SY NY ZAZA
Notontosaina androany tao amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny Atrikasa Nasionaly momba ny famelabelarana sy fanamafisana ny vokatra avy amin’ny Fanadihadiana Stratejika Nasionaly mikasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, ny fitondrana vohoka tsy niriana ary ny fitsaboana aorian’ny fanalan-jaza eto Madagasikara. Izay notanterahin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ny fanohanan’ny OMS sy ny Programme 2gether 4 SRHR. Ity atrikasa ity dia natao hamerenana sy hanamarinana ihany koa ireo voka-panadihadiana mikasika ny banga sy sakana amin’ny fanomezana tolotra momba ny fahasalamana ara-pananahana, ka anisan’izany ny fahafahana miroso hatrany amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana sy ny fitsaboana ara-potoana ho an’ireo tranga marefo.
Maro ny olana tokony hatsaraina amin’ny lafin'ny tolotra ara-pahasalamana ary fanabeazana ny vahoaka. Noho izany dia miditra amin’ny Dingana II i Madagasikara ka hanomboka ny fanavaozana sy ny fampiharana tetikasa vaovao eny ifotony mba hanatsarana ny tolotra sy ny kalitaon’ny fikarakarana. Ity atrikasa ity dia maneho dingana lehibe eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, satria manokatra lalana amin’ny fametrahana drafitrasa nasionaly sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka rehetra, mba hahazoana vokatra maharitra ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara.
Marihina fa hatramin'izao dia mbola voararan'ny lalàna velona eto amintsika ny fanalana zaza na inona anton'ilay vohoka tsy niriana na inona antony. Nanambara moa ireo solom-bavambahoaka nanatrika ny fivoriana fa efa misy volavolan-dalàna mikasika ny "Arrêt médical de la grossesse" entin'izy ireo ho dinihana eo anivon'ny antenimieram-pirenena amin'ny fivoriana ara-potoana manaraka amin'ny volana Mai ho avy izao.
Nanome voninahitra ny fotoana Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. Ephraïm Stéphanson Randrianambinina.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 24-mars-2026