FANKALAZANA NY FAHA-50 TAONA NIARAHANA TAMIN’IREO IRAKY NY MPITSABO SINOA : FIARAHA-MIASA MAHARITRA HO AN’NY FAHASALAMAN’NY VAHOAKA MALAGASY

Fo iray nandritra ny 50 taona ny fiaraha-miasa teo amin’ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Governemanta Entim-bahoakan’i Chine, tamin’ny alalan’ny fahatongavan’ireo iraky ny mpitsabo sinoa voalohany teto Madagasikara, ary tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. RANDRIANAMBININA Ephraïm Stéphanson. Ity fiaraha-miasa ity, izay natomboka ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka, dia nanamarika dingana lehibe teo amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fahasalamana eto amin’ny Firenena.

Marihina fa nandritra ny 10 taona farany, dia nisy fiaraha-miasa akaiky sy nahomby teo amin’ny mpitsabo sinoa sy ny CHU Anosiala, ka nitondra fandrosoana hita maso teo amin’ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana ireo marary. Tsy nifidy toerana na saranga ireo iraka mpitsabo fa niasa nanomboka tany amin’ny Faritra lavitra indrindra ka hatrany an-tanan-dehibe, ka nandrakotra sehatra maro amin’ny fitsaboana.

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Governemanta Sinoa dia nisy fanavaozana lehibe teo amin’ny tontolon’ny fahasalamana, indrindra teo anivon’ny CHU Anosiala.

Nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana teto Madagasikara ireo iraka mpitsabo sinoa, tamin’ny alalan’ny fanomezana fitsaboana, fizarana traikefa ary fanampiana ara-pitaovana.

Manamarika izao fankalazana ny faha-50 taona izao ny fanolorana fitaovana avy amin’ny Premier Hôpital Universitaire de Longzhou, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny CHU Anosiala. Anisan’izany ny fitaovam-pisefoana sy ny fitaovana fifandraisan-davitra, izay hanamora ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampizarana fahalalana eo amin’ireo mpitsabo ao amin’ny hopitaly roa tonta.

Ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana eo amin’i Chine sy Madagasikara dia tsy mijanona amin’ny fitsaboana fotsiny, fa miitatra amin’ny fananganana fotodrafitr’asa, fampitaovana ary fanofanana, izay samy mitondra vokatra maharitra ho an’ny Firenena.

 

Ity fankalazana ity dia manamarika ny fahavononana hanohy sy hanamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

25-mars-2026