FIHAONANA SY ATRIKASA IRAISAM-PIRENENA

FIHAONANA SY ATRIKASA IRAISAM-PIRENENA "RÉSEAU ONE HEALTH OCÉAN INDIEN" HO FANATSARANA NY FAHASALAMAN'NY OLOMBELONA, IFAMPIANKINAN'NY BIBY ARY NY TONTOLO IAINANA

Tanterahina ny 25 ka hatramin’ny 27 martsa 2026 ny Andro Siantifika ho an’ny tambajotra One Health Océan Indien (dP OHOI), izay mampivondrona ireo manampahaizana sy mpiara-miombon’antoka avy eto amin’ny Faritry ny ranomasimbe Indianina sy iraisam-pirenena.

Tanjon’ity hetsika ity ny hanamafisana ny fisorohana, ny andrimaso sy ny fanaraha-maso ara-pahasalamana ary ny momba ny "résistance aux antibiotiques". Tafiditra ao anatin'izany ihany koa ny fandraisana andraikitra manoloana ireo areti-mifindra, indrindra ireo aretina avy amin’ny biby (zoonose). Naseho nandritra izao atrikasa izao ireo voka-pikarohana sy tetikasa iombonana, izay hanampy amin’ny fanatsarana ny fandraisana fanapahan-kevitra sy ny rafitra fiarovana ara-pahasalamana. Izao no natao dia entina hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra maro samihafa, mifototra amin’ny fomba fijery iray “One Health” izay mampifandray sy mampiseho tsara fa afaka mifampirindra tsara izany fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny tontolo iainana izany.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan' Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Dr. RANDRIANAMBININA Ephraïm Stephanson, izay izy ihany koa no nitarika ny lanonam-panokafana an'izao fivoriana izao, dia nasongadiny ny maha-zava-dehibe ny fisian'izao fotoana izao ary nanararaotany nilazany ireo fijery vaovao eo anivon'ny Minisitera. Mikasika ny valanaretina Mpox dia nanentana ireo mpiara-miombon'antoka ny tenany mba hanao ny ezaka rehetra hampifanindran-dalana amin'ny filana ny tolotra entin'izy ireo.

 

Dingana lehibe izao ho amin’ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ireo loza ara-pahasalamana sy ny fananganana rafitra maharitra hiarovana ny fahasalaman’ny rehetra.

Ny Fitaleavana ny Serasera 25-mars-2026