FAMOAHANA OFISIALY NY ANDIANY “MIATRIKA” : FANAMAFISANA NY ADY ATAO AMIN’NY FIPARITAHAN’NY VIH/SIDA
Notanterahina androany tao amin’ny “Salle d’oeuvre” EKAR Ambatonilita ny lanonana famoahana ofisialy ny andiany “Miatrika”, izay andiany faharoa amin’ireo dokotera nahavita fiofanana manokana momba ny aretina VIH/SIDA eto Madagasikara.
Dokotera miisa (31), avy amin’ny Faritra samihafa manerana ny Nosy, no nanaraka fiofanana nandritra ny herintaona teo anivon’ny “Faculté de Médecine” d’Antananarivo, ka nahazo diplaoma manokana (Diplôme Universitaire de Sidenologie) amin’ny sehatry ny fitsaboana sy fikarakarana ny mararin’ny VIH/SIDA izy ireo.
Ny tena votoatin’ity hetsika ity dia azo ambara fa anisan’ny paik’ady atao mba tsy hianaka eny amin’ny fiaraha-monina ny SIDA. Tsapa sy hita mantsy fa mihamaro ireo olona mitondra ity tsimok’aretina ity, ka ilaina ny fisian’ny mpitsabo voaofana tsara sy afaka miatrika izany amin’ny fomba matihanina sy manakaiky ny vahoaka.
Mitondra ny anarana hoe “Miatrika” ity andiany ity, ho mariky ny fahavononana sy ny herim-po hiatrika ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina. Hiparitaka manerana ny Nosy ireo dokotera, ka handray andraikitra amin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny VIH/SIDA, ny fitsaboana sy fanaraha-maso ireo marary, ny fanentanana ny mponina indrindra ny tanora, ary ny fanohanana ireo reny mitondra ny tsimok’aretina sy ny zaza haterany.
Ny fampianarana tahaka izao dia manamarika dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny VIH/SIDA eto Madagasikara, ary mitondra fanantenana ho an’ny vahoaka amin’ny fisorohana sy fitsaboana ity aretina ity.
Nanatrika ny lanonana ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny “Faculté de Médecine”.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 26-mars-2026