FARITRA ALAOTRA MANGORO - MORAMANGA : Fahasalamana ho an’ny zokiolona
Notontosaina tao Moramanga ny fizaham-pahasalamana ho fitsinjovana ireo zokiolona, sy ny fanombohana ofisialy ny fanaovam-baksiny fanefitra amin’ny MPOX izay niarahan’ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ny avy tao amin'ny Minisiteran'ny Foloalindahy. Izao no natao mba hanamafisana ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy hisorohana ny fihanaky ny aretina eny anivon’ny fiaraha-monina.
Nanatrika ny fotoana ny Solombavam-bahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin’ny distrikan'i Moramanga, ny Lehiben’ny Distrika, ireo Lehiben’ny Sampan-draharaha, ary ny mpiasan’ny fahasalamana. Ny Médecin Inspecteur (MI) ao an-toerana no nisantatra ny fanaovam-baksiny, narahin’ny Solombavam-bahoaka sy ireo mpiasan’ny fahasalamana, ho mariky ny fiaraha-mientana sy ny fanentanana ny mponina handray anjara amin’ny fiarovana ny fahasalamana.
Ny fotoana tahak'izao dia manamafy ny ezaka ataon’ny manam-pahefana sy ny sampan-draharaha ara-pahasalamana hanatsarana ny tolotra sy ny fiarovana ireo marefo, indrindra ireo zokiolona, ary manaporofo ny fahavononana hiatrika ny fanamby ara-pahasalamana amin’ny fomba matihanina sy mahomby amin'izao fankalazana ny andron'ny 29 martsa ho fahatsiarovana ireo mahery fon'ny Firenena izao.
Ny Fitaleavana ny Serasera 29-mars-2026