29 Martsa : Fahatsiarovana ireo Mahery fo —

29 Martsa, andro natokana ho fahatsiarovana ireo Mahery fo izay nanao sorona ny ainy ho fanafahana ny Tanindrazana. Ho an’ity taona ity, mitondra hafatra manan-danja ny lohahevitra hoe: “Fanavaozana ny fitiavan-Tanindrazana”, izay manentana ny olom-pirenena rehetra hanamafy indray ny soatoavina maha-Malagasy sy ny finiavana hanompo ny Firenena.

Tao anatin’ny lanonana ofisialy izay notanterahina tetsy amin’ny fasan’ireo Mahery fo Avaratr'Ambohitsaina ny fametrahana fehezam-boninkazo sy fanomezam-boninahitra ireo martiora. Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël Mivady no nitarika izany, notronin'Andriamatoa Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin, ireo Lehiben'Andrim-panjakana, ny mpikambana avy ao amin'ny Governemanta sy ireo manampahefana ambony sivily sy miaramila ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tsokajiny.

Anisan’ireo nanatrika sy nandray anjara tamin’izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, izay naneho ny firaisankinan’ny sehatry ny fahasalamana amin’ny fanajana ny tantara sy ny fitiavan-tanindrazana.

Taorian’izany dia niaraka nizotra nankany Ambohijatovo ny delegasiona, toerana iray manan-tantara, izay mbola mampahatsiahy ny tolona sy ny herim-po nasehon’ireo razantsika tamin’ny fiarovana ny fahafahana sy ny fahaleovantena.

Ny fahatsiarovana ny 29 Martsa dia tsy mijanona amin’ny lanonana ihany, fa antso avo ho an’ny rehetra mba hanohy ny asa fanorenana Firenena. Ny fitiavan-tanindrazana, nohavaozina ho hita taratra amin’ny fanoloran-tena, ny fahitsiana ary ny fandraisana andraikitra amin’ny asa andavanandro, indrindra eo amin’ny fanompoam-bahoaka.

Koa amin’izao andro manan-danja izao, dia aoka isika rehetra hanavao ny fanoloran-tenantsika ho an’i Madagasikara, hanaja ny lova navelan’ireo Mahery fo, ary hiara-hiasa amin’ny fananganana hoavy tsara kokoa ho an’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 29-mars-2026