FANANTENANA VAOVAO HO AN’NY ADY AMIN’NY HOMAMIADANA
Pejy vaovao eo amin’ny tantaran’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara no nosokafana androany.
Vita sonia tamin’ny fomba ofisialy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny orinasa "MPITHI Holdings", mikendry ny hanangana ivon-toeram-pitsaboana manokana ho an’ny homamiadana eto Madagasikara.
Dingana lehibe ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fametrahana ivon-toerana manokana toy izao mba hanalefahana ny fahasahiranan’ireo manana marary, indrindra amin’ny lafiny ara-bola, satria tsy mila mivoaka any ivelany intsony izy ireo fa afaka misitraka tanteraka ireo fitsaboana rehetra ilaina amin’ny ady amin’ny homamiadana.
Ity ivon-toerana ity dia misy fitaovana teknolojia avo lenta, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena toy ny IRM (Imagerie par Résonance Magnétique), Radiothérapie ary ireo maro hafa.
Izany rehetra izany dia natao hanomezana fitsaboana feno sy mahomby eto Madagasikara.
Fanamby hanova tanteraka ny fomba fitsaboana ny homamiadana eto Madagasikara, ary hanangana rafitra ara-pahasalamana matanjaka sy maharitra ny tetikasa toy izao.
Marihina fa vokatry ny fiaraha-mientan’ny Fitondram-panjakana Malagasy sy ny Governemantan'i Afrika Atsimo ity dingana lehibe ity, maneho ny finiavana iraisana hanatsara ny fahasalamam-bahoaka sy hampiakatra ny kalitaon’ny fitsaboana eto amin’ny Firenena.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 30-mars-2026