Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana

Fihaonambe nasionaly ho fampiroboroboana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana

Fihaonambe nasionaly ho fampiroboroboana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana 12-13 Jolay 2024

Tafiditra anatin'ny Programam-panjakana laharam-pamehana napetrak'Andriamatoa Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA ho an'ny fampandrosoana maharitra an'i MADAGASIKARA ny FANDRINDRANA NY FIAINAM-PIANAKAVIANA.

Fihaonambe Nasionaly nahafahan'ny rehetra nandray anjara, hitondra ny anjara birikiny amin'ny fampiroboroboana Izany vina izany no nandraisan'ny mpisehatra rehetra toy ny mpitondra Fanjakana manerana ny Faritra 23, ireo tompon'andraikitra ny Fahasalamana eny anivon'ny faritra, ireo ray aman-dreny toa teny, ireo mpiantsehatra eny ifotony ary ireo mpiara-miombonantoka.

Nisy ny fanamby izay napetraka tao anatin'izany dia ny hanatrarana ny mpisitraka ny tolotra fandrindrana fiainam-pianakaviana hatramin'ny 5,1 tapitrisa manerana ny Nosy hatramin’ny taona 2028, izay marihana fa maimaimpoana hatrany ny fisitrahana izany. 

Lehibe ny fanamby fa Izaho Ianao Isika hiaraka hampiroborobo ny Fandrindrana Fiainam-pianakaviana Izay Antoky ny Fampandrosoana

Eo anilanao hatrany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka

SCM/DIRCOM 19-juil.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités