ATRIKASA FANKATOAVANA NY FANDAHARAM-PAMPIOFANANA MOMBA NY FITSABOANA, FANENTANANA HO AN’IREO ANKIZY TRATRAN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO
Salle de conférence MSANP - 31 Martsa 2026
« Ny fahasalamana no harena sarobidy indrindra », io no andian-teny nentin'Andriamatoa Dr. RANDRIANAMBININA Ephraïm Stephanson, Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny atrik'asa fankatoavana ny "curriculum de formation sur la therapie de stimulation des enfants malnutris".
Tahirin-kevitra enti-manofana izay mikendry manokana ny :
- hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny fahasalamana,
- hanatsarana ny fahaizan’ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony,
- hitily ny fahatarana eo amin’ny fivoaran’ny ankizy madinika,
- hanara-maso akaiky ny fitsaboana sy fanentanana ho an’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Zava-dehibe ny fananana ity tahirin-kevitra ity na "curriculum" ahitana torolalana mazava sy fampiharana natao ho an'ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony.
Ny zaza toy ny zava-maniry, rehefa tondrahina sy kolokoloina dia mitombo sy mivelatra.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
FahasalamamBahoaka
AnkizySalama
AdyAminNyTsyfanjariantsakafo
MSANP
Ny Fitaleavana ny Serasera 31-mars-2026