FANARAHA-MASO ARA-PAHASALAMANA AMIN'NY SISIN-TANY PORT EHOALA AO TAOLAGNARO
Varavarana misokatra amin'ny fifandraisana amin'ny any ivelany ny fisian'ny seranan-tsambo lehibe, anatin'izany ny seranan-tsambo "PORT-EHOALA".
Mandray sambo 4 hatramin'ny 6 isam-bolana. Misy arak'izany ny fandrindrana amin'ny fandraisana ireo vahiny ka ny ekipan'ny "CVSF" no manatanteraka ny fitsirihana ara-pahasalamana.
Mijery ny an-tonta taratasy mikasika ny fahasalaman'ny mpizaha-tany.
Mijery ireo seranan-tsambo folo farany niantsonan'ny sambo.
Manamafy ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana.
Omaly alarobia 1 Aprily dia nisy ny fandalovan'ny sambo lehibe "PAQUEBOT AMERA". Nanatanteraka ny fitsirihana ny ekipan'ny "CVSF", entina hiarovana sy hanamafisana ary handrindrana ny paik'ady fisorohana efa napetraky ny Fitondram-panjakana manoloana ny fisian'ny mpizaha-tany.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 02-avril-2026