FANKALAZANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA
Talata 07 Aprily 2026 - ANTANANARIVO – MAHAMASINA – KIANJA BAREA
Nankalazaina androany ny Andro Manerantany ho an’ny Fahasalamana (Journée Mondiale de la Santé 2026). Laharam-pahamehana hatrany ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka.
Nanome voninahitra ny lanonana ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Médecin Général de Brigade Marcelin ZAFITASONDRY RANOELISON, Kôlônely Gervais ANDRIAMIHARITSOA, izay notronin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, ny Solombavambahoaka Filohan’ny Komity misahana ny Fahasalamana ao amin’ny Antenimieram-pirenena, ny Solontena Maharitry ny OMS mipetraka eto Madagasikara, niaraka tamin’ireo vahiny manankaja sivily sy miaramila.
Nandritra ny lahateny dia nisaotra manokana ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra Ramatoa Minisitra, izy “nitoto, nahafotsy sy nahamasaka ny hetsika”, ho mariky ny fankasitrahana sy fankatelemana ny ezaka sy fandraisana andraikitra lehibe nataon’izy ireo tamin’ny fanomanana sy fanatontosana ny fotoana.
Teo ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka izay tonga nanohana sy niara-niasa tamim-pahavononana, “ho soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra” amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara.
Nifantoka tamin’ny fanomezana tolotra akaiky sy mahasoa ho an’ny vahoaka , fa eo ihany koa ny fanaovana vaksiny maimaimpoana ireo biby sy saka tonga teny an toerana. Maro ireo olom-pirenena tonga nisitraka izany, ary hita fa tena namaly ny filàn’ny mponina ny fisian’ny tolotra ara-pahasalamana marolafy toy izao, izay natolotra maimaim-poana avokoa.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 07-avril-2026