Atrik'asa fankatoavana
Nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny atrik'asa fankatoavana ny "Plan national de réponse aux urgences de sécurité sanitaires des aliments à Madagascar" (PNRU-SSA) 2026-2027 Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Dr. Ephraïm Stephanson RANDRIANAMBININA androany.
Nohamafisiny nandritra ny lahateniny fa dingana lehibe sy manan-tantara izao satria ity no drafitra voalohany misy eto Madagasikara namboarina manokana hitantanana ny hamehana mety ateraky ny sakafo. Notsindriany manokana ny fiarovana ny vahoaka amin'ny alalan'ny fanatsarana ny fanaraha-maso ny sakafo, indrindra eny anivon'ny trano fisakafoana sy ny hotely, mba hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo (intoxication alimentaire).
Nankasitrahan’Andriamatoa Sekretera Jeneraly manokana ireo mpamolavola ity drafitra ity noho ny fandraisan'andraikitra sy ny fahavitrihana nasehon'izy ireo ho tombontsoan'ny fahasalamam-bahoaka.
Drafitra novolavolain'ny Fitaleavana "ACSSQDA" niarahany tamin'ireo Fitaleavana eto anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Minisitera rahavavy ary ireo mpisehatra ara-pahasalamana sy ny mpiara-miombon'antoka.
Tanjona iray no iraisana dia ny Sakafo azo antoka ho an'ny Malagasy rehetra.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 09-avril-2026