FANOKAFANA OFISIALY NY KONGRESY FAHA - 31 NY

CCI Ivato, alakamisy faha 09 aprily 2026.

Nanome voninahitra sady nanokatra tamim-pomba ofisialy ny Kongresy faha-31n'ny "Fédération pharmaceutique de l'Océan Indien" Ramatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira. Federasiona izay mampivondrona ireo Firenena sy Nosy rahavavin'i Madagasikara eto anivon'ny ranomasimbe indianina.

Hetsika izay manamafy ny maha-zava-dehibe ny anjara toeran’ny sehatry ny farmasia eo amin’ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka. Singa fototra amin’ny rafi-pahasalamana ny farmasiana, indrindra eo amin’ny fisorohana ireo aretina ary ny fanamorana ny fahazoan’ny vahoaka fitsaboana tsara kalitao.

Sehatra manan-danja ho an’ny fifanakalozana traikefa, fanamafisana ny fiaraha-miasa ary fikatsahana vahaolana maharitra hiatrehana ireo fanamby ara-pahasalamana ity kongresy ity. Haharitra roa andro izany hetsika izany, ary trano heva maro ahitana ireo matihanina misehatra eo amin'ny famokarana sy fitsinjarana fanafody no ampiratiana ho tsidihan'ny rehetra.

Manamafy hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa laharam-pahamehana ho an'ny fitondram-panjakana ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana sy ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny rehetra.

 

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera. 09-avril-2026