VAKSINY MPOX : NATOMBOKA TAO FARAFANGANA
Faritra Atsimo Atsinanana – Distrikan’i Farafangana
Tontosa tao amin’ny Hôpitalibe CHRR Farafangana ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fanaovana vaksiny faobe hiadiana amin’ny aretina MPOX.
Ity hetsika ity dia anisan’ny ezaka lehibe ataon’ny Fitondram-panjakana, indrindra ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny fisorohana sy fanakanana ny fiparitahan’ny aretina ary fiarovana ny fahasalaman’ny mponina.
Marihina fa misokatra ho an’ny rehetra ny fanaovana vaksiny MPOX.
Anisan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’ny fanombohana izany fanaovana vaksiny izany ny mpiasan’ny fahasalamana, indrindra ireo teo anivon’ny CHRR Farafangana, izay efa nandray an-tanana ny fitsaboana tranga confirmé iray (01), izay efa sitrana soa aman-tsara ary nody tany an-tranony telo herinandro lasa izay. Nisy ihany koa ireo olon-tsotra tonga nanao vaksiny.
Aorian’ny lanonana fanombohana dia hitohy ao amin’ny CSB 2 Urbain Farafangana ny fanaovana vaksiny MPOX, mba hahafahan’ny rehetra misitraka izany.
Namporisika ny vahoaka handray anjara mavitrika ireo tompon’andraikitra, satria ny fanaovana vaksiny no iray amin’ireo fomba mahomby indrindra hiarovana amin’ny fiparitahan'ny valanaretina. Ampatsiahivina hatrany fa maimaimpoana ny fanaovana vaksiny Mpox ary an-tsitrapo izany. Saingy ny fanekenao atao vaksiny dia fanehoanao am-pahibemaso fa sarobidy aminao ny fahasalamanao sy ny manodidina anao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DRSP ATSIMO ATSINANANA - FARAFANGANA - COMM. 10-avril-2026