FIVORIANA TSY ARA-POTOANA NATAON’NY PARLEMANTA

Alatsinainy faha 13 Avrily 2026 – Antenimieram-pirenena Tsimbazaza

Nosokafan’Andriamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena RANDRIANASOLONIAIKO Siteny tamin’ny fomba ofisialy androany ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny Parlemanta. Niarahan’ireo Solombavambahoaka manerana an’i Madagasikara ny lanonam-panokafana.

Nandritra izany dia natolotr’Andriamatoa Praiministra Lehiben’ny Governemanta RAJOANARISON Mamitiana Jeannot Ruffin ny Fandaharan’asa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, izay mifantoka amin’ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny fitantanana. Tafiditra ao anatin’ny lahadinika ihany koa ny fandinihana ireo volavolan-dalàna samihafa.

Manatrika izany ireo Lehiben’ny andrim-panjakana sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ary ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra.

Anisan’ireo nanatrika ity lanonana ity Ramatoa Ministra Dr. MANAGNA Monira, Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, izay maneho ny fiaraha-mientana sy manohana ireo ezaka rehetra mikendry ny fanamafisana ny rafitra ara-panjakana.

Ity fivoriana ity dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanohizana ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny asa sy ny tolotra omen’ny fanjakana ho an’ny vahoaka.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera. 13-avril-2026