FIKAONAN-DOHAM-PIRENEN'NY TANORA HO AN'NY FANAVAOZANA 2026

Nanatrika ny fanokafana ofisialy ny Fikaonandoham-pirenen'ny tanora ho an’ny fanavaozana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.

Hetsika izay mikendry ny hampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny fampandrosoana sy ny fanavaozana an’i Madagasikara. Ary zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny tanora amin’ny sehatra rehetra, anisan’izany ny fahasalamana.

Ny fanatrehan-dRamatoa Minisitra izao fikaonan-doha izao dia mariky ny fanohanana sy fanamafisana ny andraikitry ny tanora amin’ny fananganana hoavy tsara ho an'ny Firenena.

 

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

Ny Fitaleavana ny Serasera 14-avril-2026