FIHAONANA DIPLOMATIKA: Nitsidika ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Ambasadaoron’ny Repoblikan'i
Nitsidika ara-pomba fanajana an-dRamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira ny Ambasadaoron’ny Repoblikan'i "Tchèque", monina an'i Afrika Atsimo izay misahana ny fifandraisana ara-diplomatika amin'i Madagasikara, Andriamatoa Tomas Ulicny androany alarobia 15 avrily 2026 tao Ambohidahy.
Hetsika tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Repoblikan'i "Tchèque", eo amin’ny fampandrosoana ny sehatra ara-pahasalamana indrindra amin'ny fanamorana ny fahazoana fitaovana, ny fanampiana ary manamafy ny finiavan’ny roa tonta hanohy sy hanitatra ny fiaraha-miasa, sy ny fifandraisana maharitra ho an’ny fahasalamam-bahoaka.
Manaporofo indray izany fa mitohy hatrany ny ezaka entina hanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 15-avril-2026