FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY FAHATSAPANA NY NY "AUTISME"
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 15 avrily ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena momba ny fahatsapana ny "Autisme". Notarihin’ny solontenan-dRamatoa Préfet izany, ary notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, toy ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Matsiatra Ambony, Ramatoa Sekretera Jeneraly, ary Ramatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Matsiatra Ambony, niaraka tamin’ireo manam-pahefana maro.
Nandritra ny fotoana dia noresahina manokana ny momba ny "Autisme", indrindra ny maha-zava-dehibe ny tsy fanilikilihana sy ny fanohanana ireo ankizy sy tanora autiste eo anivon’ny fiaraha-monina sy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana.
Nohamafisina fa manan-jo mitovy amin’ny olon-drehetra izy ireo, indrindra amin’ny fahafahana misitraka ny fampianarana sy mandray anjara amin’ny fanadinam-panjakana.
Nifarana tao anatin’ny firaisankina ny fankalazana, ka nanehoana fahavononana hiaro sy hanohana ireo olona autiste ary hampiroborobo ny zon’izy ireo eo anivon’ny fiaraha-monina
Ny Fitaleavana ny Serasera 15-avril-2026