FIARAHA-MIASA APETRAKA HO AN’NY FANAVAOZANA NY RAFITRA HISITRAHAN’NY REHETRA FAHASALAMANA TSARA KALITAO SY MANAKAIKY NY VAHOAKA
Ny 22 Desambra 2025 no vita sonia ny fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Governemanta Amerikana. Dr. MANAGNA Monira no nisolo tena ny Governemanta Malagasy satria natokana ho an’ny sehatry ny Fahasalamam-bahoaka izao tetikasa izao. Ny Mpiraki-draharaha, Ramatoa Stéphanie ARNOLD kosa no nisolo tena ny Governemanta Amerikana.
Ho tohin’izay fanaovan-tsonia izay dia nisy ny fihaonana nandritra ny roa andro teo amin’ireo teknisiana avy amin’ny andaniny sy ankilany, izay natao tetsy amin’ny Masoivoho Amerikana tetsy Andranomena. Io fihaonana io dia natao hamaritana ny vina iombonana sy hamolavolana ny drafitra fampiharana voalohany.
Noresahana ihany koa nandritra izany ny famaritana ny andraikitra sy ny fepetra hiasan’ireo komity roa mpanara-maso, izay hitari-dalana ny fanatanterahana ny asa sy hiantoka ny mangarahara ary ny tamberin’andraikitra.
Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fametrahana mari-pandrefesana hanaraha-maso ny fandrosoan’ny asa sy ny vokatra azo.
Ny Fitondrana Malagasy no hitarika ny fampiharana izao drafitra izao ary asa misy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalamam-bahoaka no ho tanterahana. Haharitra dimy taona ity fiaraha-miasa ity ary ny tanjona dia ny fahavitan-tenan’ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara, indrindra amin’ny fiatrehana ny areti-mifindra.
Ny Fitaleavana ny Serasera / Sary : Le Service Presse de l’Ambassade des États-Unis 17-avril-2026