FITETEZA-PARITRA ATSIMO ANDREFANA : NIHAONA TAMIN’NY MPIASAN’NY FAHASALAMANA TAO TOLIARA RAMATOA MINISITRA DR MANAGNA MONIRA

FARITRA ATSIMO ANDREFANA - TOLIARA

Ny zoma 17 aprily 2026 dia namangy sy nihaona ary nifampitafa tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Andrefana i Ramatoa Minisitra Dr MANAGNA Monira sy ireo delegasiona notarihany.

Nizotra tao anatin’ny filaminana sy fifanajana tanteraka ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra. Maro ireo solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana naneho fangatahana sy nizara ireo hetaheta, izay nifantoka indrindra tamin’ny fanatsarana ny tontolon’ny asa eny anivon’ny toeram-piasana ary koa ny fomba hanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny rehetra.

Nanafatrafatra hatrany Ramatoa Minisitra ny amin’ny maha-zava-dehibe ny firaisankinan’ny rehetra mba hahalavorary ireo asa kasaina hatao ho fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana. Nambarany fa samy miandrandra ny fanovana isika rehetra amin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana izao, ka ilaina ny fiovam-pihetsika sy ny fiovana eo amin’ny fitondran-tena eo amin’ny sehatra iasan’ny tsirairay avy.

 

Teo am-pamaranana dia nisaotra sy nankahery ireo mpiara-miasa rehetra amin’ny fanatanterahana ny adidy sy andraikitra sahanin’izy ireo eny amin’ny toeram-piasany Ramatoa Minisitra.

Ny Fitaleavana ny Serasera /sary : DRSP ATSIMO ANDREFANA - COMM. 17-avril-2026