FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY “HÉMOPHILIE”
Zoma 17 avrily 2026, tao amin’ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHUJRA)
Notanterahina ny fankalazana ny Andro Manerantany ho an’ny Hémophilie. Hetsika natao hanamafisana ny fanentanana sy ny fampahafantarana ity aretina mifandray amin’ny fijanonan-drà lava ity amin’ny vahoaka.
Ny lohahevitra tamin’ity taona ity dia hoe : “Ny fitiliana dia fiandohan'ny fitsaboana.”
Nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nandritra izany lanonana izany i Prof. RAVAOARISOA Lantonirina, izay nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fitiliana mialoha sy ny fikarakarana ara-pahasalamana sahaza ho an’ireo marary.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Ny Fitaleavana ny Serasera 17-avril-2026