FINTININ’NY FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY “HÉMOPHILIE 2026” – ANTANANARIVO
Ny 17 aprily 2026, nanamarika ny Andro Maneran-tany ho an’ny Hémophilie i Madagasikara tamin’ny alalan’ny lohahevitra hoe « Ny fitiliana : dingana voalohany amin’ny fitsaboana ». Ity lohahevitra ity dia manasongadina ny fahavononan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny ady amin’ity aretina lovaina mahakasika ny fampidion-dra ity.
Na dia eo aza ny fandrosoana hita nanomboka ny taona 2010, indrindra ny fankatoavana iraisam-pirenena ny fikambanan’ny hemofily malagasy avy amin’ny Federasiona Eran-tanin’ny Hémophilie sy ny fisian’ny marary 215 voasoratra anarana (Hémophilie A sy B), dia mbola goavana ny fanamby amin’ny fanaovana fitiliana, satria mbola latsaky ny 12 % ny taham-pahafantarana ny aretina.
Nandritra ny fankalazana natao tao amin’ny CHU Joseph Ravoahangy Andrianavalona dia nampivoitra ny lanjan’ny fitiliana maimaim-poana, ny fanamafisana ny fiahiana ara-pahasalamana iarahan’ny manam-pahaizana maro, ary ny antso ho amin’ny firaisankina nasionaly amin’ny alalan’ny fanomezan-dra, mba hanatsarana ny fiainan’ireo marary.
Fehiny, io fankalazana io dia fotoana iray nanamafisana ny fanentanana sy ny fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny hémophilie. Indro arahina angon-tsary nanamarika izany hetsika izany tamin’ny zoma 17 aprily 2026.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 18-avril-2026