FANOKANANA OFISIALY NY IVO-TOERANA FAMPIOFANANA IRAISAM-PARITRA HO AN’NY INFIRMIERA SY MPAMPIVELONA – TOLIARA
Ny 18 aprily 2026 no notanterahina tao Toliara ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Institut de Formation Inter-régional des Paramédicaux (IFIRP), ivotoerana fampiofanana ireo infirmiera sy mpampivelona.
Ny lanonana dia notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël, izay nanamafy fa “ny fianarana no lova tsara indrindra” ary nanentana ny tanora hiezaka hianatra satria izy ireo no ho avin’ny firenena. Nankahery sy nankasitraka ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany koa izy amin’ny fanatanterahana ny asa.
Nandritra izany dia nisy fanohanana ara-bola mitentina 5 000 000 Ar natolotra ho an’ireo mpianatra ao amin’ny IFIRP ho fanampiana sy fanohanana azy ireo amin’ny fianarana.
Teo ihany koa ny fanolorana fitaovana lehibe hanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana: fiarakodia tsy mataho-dalana misy vata fampangatsiahana hitaterana vakisiny ho an’ireo distrika 9 ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, milina radiographie numérique, ary générateur d’oxygène.
Nanatrika ny hetsika Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr MANAGNA Monira, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny sy ireo mpitondra fanjakana sivily sy miaramila.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony dia nanentana Ramatoa Minisitra fa ny fianarana ao amin’ny IFIRP dia dingana iray ihany, ka tokony hanana finiavana sy faniriana hivoatra hatrany ireo mpianatra.
Nohamafisina tamin’ity fotoana ity fa efa tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanjakana ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana, amin’ny tanjona hanakaikezana sy hanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ny vahoaka.
Ny Fitaleavana ny Serasera / Sary : Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM 18-avril-2026