FEHIN'NY LANONAM-PANOKAFANA TAMIN'NY FOMBA OFISIALY NY IFIRP SY IREO FANOLORANA MARO TAO TOLIARA NY ANDRON'NY SABOTSY 18 APRILY 2026 IVO-TOERANA FAMPIOFANANA IRAISAM-PARITRA HO AN'IREO INFIRIMIERA SY MPAMPIVELONA
Navaozina avokoa ireo efitrano lehibe miisa (4): efitrano fianarana, birao miisa (5), trano fonenan'ny mpiambina, "coin allaitement" toerana fampinonoan'ny reny ireo zanany, efitrano fandraisana vahiny "gîte d'étape", "laboratoire de développement de compétences" (2), trano fisakafoanana sy fidiovana.
Tsara ny manamarika fa saropady ary mila hatsaraina hatrany ny tontolon'ny fampianarana sy ny tontolo manodidina mba ho tsara kalitao, ary mamoaka paramedy manodidina ny 60 isan-taona ity ivotoerana ity.
FISOROANA MAHOMBY NY VAKSINY -
FIARA FITATERANA IREO VAKSINY MIPAKA AN'NY AMIN'NY FIARAHA-MONINA :
Fiara tsy mataho-dalana (Toyota Land Cruiser) (9) - ho an'ireo Distrika (SDSP 9) ao amin'ny Faritra Atsimo Andrefana : Toliara I sy II, Ampanihy Andrefana, Beroroha, Sakaraha, Ankazoabo Atsimo, Benenitra, Betioky Atsimo, Morombe.
Ireto fiara ireto moa dia efa misy vata fampangatsiahana ao anatiny ary natao hakana ny vaksiny eo amin'ny renivohi-paritra.
FAMOKARANA OXYGÈNE (GÉNÉRATEUR D'OXYGÈNE) :
Milina famokarana oxygène izay afaka mameno "bouteilles d'oxygène" manodidina ny (10) ao anatin'ny 90 minitra.
Ny fisian'io milina io dia ahafahana mamatsy oxygène ireo tobim-pahasalamana miankina na tsy miankina amin'ny Fanjakana, indrindra manafaingana ny vonjy taitra sy avotr'aina eo amin'ny fitsaboana raha tojo fahasarotana ny marary.
FITAOVANA FITARAFANA (APPAREIL RADIOGRAPHIE NUMÉRIQUE) :
Fitaovana (2) manaraka ny teknolojia avo lenta, ahafahana manao fitarafana eo amin'ny vatan'olombelona.
Apetraka ao amin'ny CHU Mitsinjo Betanimena (1) ary ao amin'ny CHU Tanambao (1).
Zava-dehibe tokoa ny fanolorana ireto fitaovana maro samihafa ireto ao amin'ny Faritra Atsimo Andrefana, fa manamora sy manampy ary mitondra fanavaozana eo amin'ny sehatry ny fisorohana sy fitsaboana ho an'ny fahasalamam-bahoaka.
Ny Fitondram-panjakana dia mametraka mazava fa zon'ny isam-batan'olona ny misitraka fahasalamana, ary ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira dia manao ny ezaka rehetra hitondra izany ipaka eny ifotony.
Maneho fankasitrahana ireo mpiara-miombon'antoka niara-nientana tamin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, singanina eto ny BANKY IRAISAM-PIRENENA (BANQUE MONDIALE), ALLIANCE GAVI, UNICEF, GLOBAL FUND.
Ny Fitaleavana ny Serasera / Sary Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM - DRSP ATSIMO ANDREFANA - COMM 18-avril-2026