FANDINIHANA NY ZAVA-BITAN’NY FIKAMBANAN’NY FIAHARAMONIM-PIRENENA (OSC) MOMBA NY VAKSINY VATSIAN’NY GAVI
Notanterahina nandritra ny 2 andro (16 sy 17 aprily) ny atrikasa fijerena sy fandinihana ny asa vitan’ireo Fiaramonim-pirenena (Organisation des Sociétés Civiles) tao anatin’ny 9 volana, niaraka tamin’i Manion Daniels sy ireo mpiara-miombon’antoka (JHPIEGO, MCD, APSIAN, ASOS).
Nosokafan’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana, Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré ny fivoriana, izay nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny OSC sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ho amin’ny faharetan’ny (pérénisation) asa izay natao.
Ny tanjona dia ny hanatsara ny tahan’ny vaksiny eny amin’ireo Distrika (45) voasafidy, indrindra ho an’ireo zaza mbola tsy vita vaksiny mihitsy (zéro dose).
Vokatra: hita ny fandrosoana amin’ny taha-panaovana vaksiny sy ny fahatratrarana ireo zaza tsy mbola vita vaksiny, vokatry ny ezaka sy ny fandraisan’anjara mavitrika nataon’ireo OSC.
Ny Fitaleavana ny Serasera / sary : DPEV COM 20-avril-2026