Fahasalamana any Atsimo Andrefana: Nijery ifotony ny zava-misy ny Minisitrin'ny Fahasalamam-bahoaka
FARITRA ATSIMO ANDREFANA - TOLIARA
Nandritra ny fandalovan-dRamatoa Minisitrin'ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira dia tsy nandalo tanàna misy havana ny tenany fa tonga nanokana fotoana hifampiresahana sy hihainoana ny hetahetan’ireo mpiara-miasa tao amin'ny CHU Misinjo Betanimena raha toa ka efa nandalo tao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Andrefana izy.
Nankahery azy ireo ihany koa ny tenany amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny andraikitra iantsorohany isan’andro ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka.
Taorian’izay dia nitsidika ireo sampan-draharaha rehetra tao amin’ny hopitaly Ramatoa Minisitra. Marihina fa isan’ireo toerana voatokana handraisana sy hitsaboana ireo mararin'ny Mpox ity hopitaly ity.
Miankina betsaka amin'ny fahampian'ny fitaovana sy ny filaminan’ny tontolo iasana eny anivon'ny toeram-pitsaboana ny fahasalaman’ny vahoaka ka anisan’ny laharam-pahamehana ny fanavaozana sy fanitarana ny efitrano fandidiana sy fiterahana. Eo koa ireo foto-drafitr’asa ilaina amin’ny fampandehanana ny hopitaly, toy ny fandavahana lavadrano, ny rafitra fitehirizan-drano ary ny fanamboarana toeram-pidiovana, izay samy anisan’ny manatsara ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP ATSIMO ANDREFANA COMM - CHU MITSINJO BETANIMENA 21-avril-2026