TOBIM-PAHASALAMANA FOTOTRA (CSB II AMBODIMOTSO HAUT) : MISOKATRA HO AN’NY VAHOAKA

Notanterahina ny 20 aprily 2026 ny fitokanana ara-pomba ofisialy ny CSB II Ambodimotso Haut, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambodimotso Haut, Distrikan’i Befandriana Avaratra, Faritra SOFIA.

Ny lanonana dia notarihin’Andriamatoa Lehiben’ny Distrika sy ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka SOFIA, notronin'Andriamatoa Mpanolotsaina ara-Tekinika eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitry Fahasalamam-bahoaka.

Nandritra ny lahateny natao dia nohamafisina fa vokatra azo tsapain-tanana ny fiaraha-miasa sy ny firaisankina, mifanaraka amin’ny vina nasionaly “Fanovana izay manasitrana ny Firenena ”, ary manampy amin’ny fanatanterahana ny fahasalamana ho an’ny rehetra.

Ankoatra izany, dia entanina ny mponina sy ny mpampiasa rehetra mba handray andraikitra amin’ny fikajiana sy fanajana ity fotodrafitrasa ity, amin’ny alalan’ny fampiasana amim-pitandremana, ny fitandroana ny fahadiovana ary ny fiarovana ny fitaovana, mba haharetan’ny kalitaon’ny tolotra atolotra ho an'ny vahoaka.

Ity fitokanana ity dia manamafy ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira, amin’ny fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony manerana ny nosy.

 

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP SOFIA - COMM. 21-avril-2026