FANOMBOHANA OFISIALY NY TETIK'ASA TOMADY
FANOMBOHANA OFISIALY NY TETIK'ASA TOMADY — Dingana vaovao ho an'ny fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza eto Madagasikara.
Androany Talata 21 aprily tao amin'ny Hôtel Radisson Blu – Tana Waterfront, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny "tetik'asa TOMADY"ary haharitra hatramin'ny martsa 2027.
Tetik'asa iarahan’ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka (MSANP) sy ny Development Media International (DMI) amin'ny alalan’ny fandefasan-kafatra eny anivon’ny haino vaky jery, mampiasa ihany koa ireo fitaovana toy ny "radiocarte audio" sy "vidéo " ahafahana manatratra ny toerana tsy takatry ny onjampeo.
Ny Tanjona :
-Fanamafisana ny fahalalan’ny fiaraha-monina mahakasika ireo fietsika fototra mahomby ahazoana fahasalamana. -Fampirisihana ny olona hisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana sy hanatanteraka ireo hetsika fototra tsotra sy mahomby mahakasika ny fahasalamana. -Mandray anjara amin’ny fampidinana ny taham-parariana sy taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara.
Raha ny vokatra hita nandritra ny fampitan-kafatra dia tratra ny tanjona satria miakatra ny fahalalan’ny mponina ary manampy amin’ny fiovam-pietsiky ny fiarahamonina ny fampitan-kafatra izay efa natao.
Tonga nanome voninahitra ny fanombohana ny "tetik'asa TOMADY" Andrimatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Dr. RANDRIANAMBININA Ephraim Stephanson, izay manamafy ny fiaraha-miasa nasionaly sy iraisam-pirenena ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 21-avril-2026