Fahasalamana any amin'ny Faritra Sofia: Fitsidihana ny CHRR Antsohihy sy fifanakalozana tamin'ireo mpiasa
Ny Talata 21 aprily 2026, dia nisy ny Fihaonan'Andriamatoa Mpanolotsaina Tekinikan'ny Ramatoa Minisirty ny Fahasalamam-bahoaka tamin'ireo mpiasan'ny fahasalamana miasa na mandalo tao Antsohihy tao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoakan'i SOFIA.
Fotoana izay nitondran'ireto farany ny hetahetan'izy ireo, anisan'izany ny fijerena manokana ny tontolon'ny mahaolona tahaka ny fanamorana ny fahazoana an'ireo "Distinction honorifique", fampitomboana isa ny mpiasan'ny fahasalamana amin'alalan'ny "recrutement" ka hijerena manokana ireo "Bénévoles", ary ny fandefasana ireo "Spécialistes" tahaka ny "Échographistes" ho an'ireo "Centre Hospitalier".
Voaresaka ihany koa ny fampitaovana ny sampandraharaha na ara-tekinika izany na aram-pitantanana sy ny fampandehanan-draharaha toy ny milina mpamokatra herinaratra ho an'ny "CHRR Antsohihy".
Nangatahana manokana ny hanampiana ny "CSB" eto an-tampontananan'Antsohihy ho (2) no mihoatra manoloana ny fitombon'ny mponina, ary tsy adino ny fangatahana ny hamerenana ny "Dotation CSB" avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.
Nanamarika ity fihaonana ity ny fidiran-dRamatoa Minisitra mivantana tamin'ny alalan'ny antso an-tariby ka nitafa tamin'ireo mpiasan'ny fahasalamana ireo.
Hafatry Ramatoa Minisitra tamin'alalan'ny antso an-tariby nivantana ny amin'ny tokony hanehoana mandrakariva ny Firaisankina, sy nilazany fa eo anilan'ny mpiasan'ny fahasalamana hatrany Izy fa indrindra ny nankasitrahany sy nampaherezany ireo "Bénévoles" izay tena manao ny ainy tsy ho zavatra tokoa.
Tamin-kafaliana sy fankasitrahana tokoa no nihainoan'ireo mpiasan'ny fahasalamana azy.
Taorian'izany dia nisy ny fitsidihana ny "CHRR Antsohihy", izay nitetezana ireo sampandraharaha rehetra misy ao, tahaka ny "CTI Mpox" sy ny toeram-pandidiana.
Velom-panantenana sy fankasitrahana the rehetra izay tarihin'Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoakan'i SOFIA, Dr. VELONTONY Ida.
Ny Fitaleavana ny Serasera 21-avril-2026