MIARO TENA – MIARO NY HAFA : ADY AMIN'NY MPOX
Rehefa nodinihina ny fisorohana mahomby hiadiana amin’ity aretina misoko mangina ity, dia tsapa fa ny vaksiny no fitaovana voalohany indrindra hiadiana amin'izany.
Ny misoroka manko no tsara indrindra, ka izany tokoa no nanosika ny Fitondram-panjakana hampiditra ny vaksiny amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy.
Tsy mitsahatra manentana sy manakaiky ny vahoaka ireo mpiasan’ny fahasalamana, mba hahafahana mandrakotra tanteraka ny Nosy amin’ny fanatanterahana ny vaksiny iadiana amin’ny Mpox.
Tao amin’ny FARITRA Matsiatra Ambony indray no nanatanterahana izany, tao amin'ny Région Militaire N°2 (RM2), izay nitarika ny fidinana ifotony Andrimatoa Tale Jeneralin'ny Fisoroana ara-pahasalamana, ka nahafahana nampisitraka vaksiny olona (miaramila) manodidina ny 130 isa izany.
Maneho mazava izany fa amin'ny finiavana sy fahavononana ireo mponina hiaro ny fahasalamany sy ny manodidina azy.
Ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay amin’ny fanaovana vaksiny no lakilen’ny fandresena haingana ny Mpox eto amin’ny Firenena.
Koa manentana antsika rehetra: Aoka samy handray andraikitra! Taomy ny manodidina anao hanao vaksiny.
Maimaimpoana sy ho an’ny rehetra ny fanaovana vaksiny.
Ny Fitaleavana ny Serasera .Sary : DGMP 22-avril-2026