FITSIDIHANA ARAK'ASA SY ARA-POMBA FANAJANA TEO AMIN'NY MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA SY NY BANKY IRAISAM-PIRENENA

Ambohidahy, alarobia 22 aprily 2026

Nandray ireo delegasion'ny Banky Iraisam-pirenena miasa eto Madagasikara notarihin'Andriamatoa Cédric NDIZEYE (Chargé de projet santé), Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka MANAGNA MONIRA androany tao amin'ny biraony.

Raha fintinina ny dinika sy fifanakalozana nandritra izany dia niompana tanteraka tamin'ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana amin'ny ankapobeny.

Nizara ihany koa Ramatoa Minisitra ny mahakasika ireo laharam-pahamehana, napetraky ny Fitondram-panjakana amin'izao fotoam-panavaozana raha eo amin'ny lafiny fahasalamana no resahana.

Tsy adino ihany koa ny fijerena ireo tetik'asa, hanohanan'ny Banky Iraisam-pirenena an'i Madagasikara, indrindra amin'izao ady atao amin'ny valanaretina izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 22-avril-2026