KOFERANSA SIANTIFIKA FANOMBOHANA NY FANAMARIHANA NY ANDRO MANERANTANY IADIANA AMIN’NY TAZOMOKA

Alakamisy 23 aprily 2026 no notanterahana ny koferansa siantifika mahakasika ny ady atao amin'ny Tazomoka.

Sehatra iray hifampizaran’ireo manam-pahaizana (Profesora mpikaroka...), mpiantsehatra amin'ny vokam-pikarohana ara-tsiantifika sy ny traikefa momba ny paik'ady sy fomba mahomby amin’ny fisorohana, fiarovana ary fitsaboana ny Tazomoka.

Nanokatra ny fotoana, Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Tolotra ara-pahasalamana Dr. TOMBOFENO Vagnono Jorondraza Jean Marc ary nanatrika izany Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga, ny Ben'ny Tananan'ny Kaominina Sabotsy Namehana ary ny solotenan'ireo mpiara-miombon'antoka toy ny OMS, PSI, JHPIEGO/MCGL, PSM, CRS.

Nandritra ny hetsika androany dia voalaza fa aretina mifindra azo sitranina tsara nefa mahafaty ny tazomoka. Anisan’ny paikady mila hamafisina ireo fepetra fisorohana sy fiarovana amin’ny tazomoka ary manomboka amin'ny fitiliana sy ny fikarohana mazava.

Maro ireo mpisehatra ara-pahasalamana nandray anjara tamin'ny fifanakalozana nanditra ny konferansa sientifika ity, nahitana ireo mpiasan'ny fahasalamana miankina sy tsy miankina amin'ny Fanjakana, mpamatsy fanafody sy "laboratoire pharmaceutique", ireo mpiara-miombon'antoka. Izao no natao dia satria zava-dehibe ny fisorohana, indrindra ny fametrahana paik'ady hipaka any amin'ny fiaraha monina ary manao ny ezaka rehetra mankany amin'ny fanafoanana io aretina io ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka ary ny mpisehatra rehetra.

Mazava ny lalan-kaleha fa afaka foanana ny tazomoka, isika rehetra miara mientana amin'izany dieny izao satria ny Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka no tanjona.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 23-avril-2026