FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HIADIANA AMIN’NY TAZOMOKA

Tao amin’ny Stade RAFANODIANA Herisetra ao amin’ny Kaominina Sabotsy Namehana no nanatanterahana ny fankalazana ny Andro manerantany hiadiana amin’ny Tazomoka.

“Hofoanantsika ny tazomoka. Vitantsika izany, miara-mientana dieny izao” no lohahevitra hiompanan’ny fankalazana amin’ity taona ity.

Isika rehetra manomboka amin’ny tsy an-kanavaka hatramin’ny Minisitra ny hoe “Zéro palu, je m’engage”. Ilaina ny fiaraha-mientan’ny hery velona rehetra hanafoanana ny Tazomoka eto Madagasikara. Tsy andro iray no ahafahana manatratra izany, fa fanamby lehibe apetraka amin’ny rehetra ny hoe tsy maintsy vitantsika izany.

Raha miara-mientana ny rehetra amin’ny fampiharana ny fomba fisorohana ny Tazomoka toy ny fatoriana anaty lay misy odimoka, fanalana ny lobolobo fonenan’ny moka, fanotofana ny rano mihandrona fanatodizan’ny moka, ady amin’ny zanaka moka amin’ny alalan’ny fiompiana trondro sy ganagana, fiarovana ny vehivavy bevohoka amin’ny Tazomoka, fiarovan-tena amin’ny kaikitry ny moka, ary indrindra ny fitsaboana haingana raha vao marary, dia ho tratra izany tanjona izany.

Izany rehetra izany no hafatra mafonja nentin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, raha nandray fitenenana sy nanentana ihany koa. Niara nonotrona ny hetsika ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tsokajiny, ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny Minisitera, sy ireo mpiasan'ny fahasalamana sy mpiantsehatra rehetra, ary ireo mpiara-miombon'antoka eo amin'ny sehatry ny fahasalamana.

Tanjona moa dia Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

23-avril-2026