FANAMAFISANA NY RAFITRA ARA-PAHASALAMANA - FIARAHA MIASA AMIN'NY OMS

Tao anatin’ny hetsika notanterahina teny amin’ny Stade RAFANODIANA Herisetra, Kaominina Sabotsy Namehana, dia nisy ihany koa ny fanolorana fitaovana sy kojakoja ara-pitsaboana izay mitentina manodidinan'ny 709 609 dollara amerikana ho fanamafisana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka manerana ny nosy.

Nanolotra izany n'y Solontenan'ny OMS mipetraka sy monina eto Madagasikara Prof. Laurent MUSANGO, izay norain-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira am-panetretena. Izao fitaovana izao dia ilaina amin’ny fitsaboana sy fikarakarana ireo marary eny amin'ny Hôpitalim-panjakana izany.

Santionany amin’ireo fitaovana natolotra ny "couveuse" ho an’ny zaza vao teraka mila fikarakarana manokana, "aspirateurs" ara-pitsaboana, fitaovana famatsiana "oxygènes", "échographies", "thermomètres infrarouge et sans contact", "tables de réanimation", ary fitaovana hijerena ny fitempon’ny fon’ny zaza sy ny maro hafa hafahana mitondra fitsaboana mendrika ho an'ny isam-batan'olona.

Tanjona amin’izao fanohanana izao ny hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy hanamafisana ny fikarakarana ny reny sy ny zaza ary ny marary amin’ny ankapobeny.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera 24-avril-2026