FAMOAHANA TAMIN'NY FOMBA OFISIALY IREO MPIOFANA, andiany faha-14 “VALIHA” ao anatin’ny FETP–FRONTLINE PPSB
INSPC - Zoma 24 aprily 2026
Notanterahina androany ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana avy amin’ny andiany faha-14 “VALIHA”, izay nahavita tamim-pahombiazana ny fiofanana momba ny Epidemiologie de Terrain FETP–FRONTLINE PPSB, eo ambany fiahian’ny INSPC (Institut National de Santé Publique et Communautaire).
Mpiofana miisa 36 avy amin’ny Faritra samihafa manerana an’i Madagasikara no nahavita izany fiofanana izany ka notolorana mari-pankasitrahana ho fanamarihana ny ezaka sy ny fahombiazana vitany.
Nifantoka indrindra tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao hiatrehana ny hamehana ara-pahasalamam-bahoaka sy ny fampiharana ireo traikefa ilaina manoloana ny vonjy taitra ara-pahasalamana ity fiofanana ity.
Fiofanana manaraka ny fenitra, matihanina ary mamaly ny filàn’i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny rafitra ny amin'ny fiomanana sy fiatrehana ny valanaretina.
Ankehitriny, ireo mpiofana vao nahazo diplaoma ireo dia efa mampihatra sahady eny ifotony ny fahalalana sy fahaiza-manao norantoviny, ho fanamafisana the fiarovana ara-pahasalamana sy ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.
Nanome voninahitra ny lanonana sy nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, Ramatoa Tale Jeneralin’ny INSPC, Prof. RAVAOARISOA Lantonirina.
Marihina fa vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana, ny COI (Commission de l’Océan Indien), ary ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa no ahafahana manamafy hatrany ny ady amin’ny valanaretina amin’ny alalan’ny FETP–Frontline One Health.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 24-avril-2026